Utilisateur:Robbies/Brouillon

Tovo J'Hay Mpanankanto
Nom de naissance Ratovondrahona Herinirina
Naissance (50 ans)
Antananarivo Drapeau de Madagascar Madagascar
Activité principale Chanteur, auteur-compositeur-interprète
Genre musical Pop, Variété, Soul,; Ballade, Latino
Instruments Piano, Guitare, Batterie
Années actives Nanomboka ny taona 2000
Labels Do Sol, Media Consulting, Miritsoka, K-laza, Kaloina Records, Mada pro

TOVO J'HAY MPANANKANTO

modifier

I Tovo J'Hay dia mpanankanto malagasy fantatra amin ny maha mpamorona, sy mpiangaly ny hiran'ny fo,(Soul) araka ny maha hiran'ny fo azy izay dia ny fo avy hatrany no voadona rehefa hiantefan'ilay mozika, Manana fomba fihira tsy dia faheno sy fahita loatra teto Madagasikara indrindra eo amin ilay angola sy fihetsem-po rehefa mihira. ka somary vaovao tamin'ny sofina teny am-piandohana, Misy ny tonga dia maka fy avy hatrany arakaraky ny fahatakaran'ny tsirairay ny mozika anefa, na dia hita ihany aza hoe miezaka ny tovolahy hanatsotra ny hira ataony mba ho voarain ny be sy ny maro. Artiste iray nametraka, sy tsy maty intsony ao am-po ny malagasy i Tovo J'Hay taty aoriana refa tafapka tsara tenay amin'ny mpaka fy azy. Nanova ny fomba fijery ny rivotry ny mozika tamin ny fotoan'andro ho an'ny rivotra hafa indray, Tamin ny taona 2000 tany ho any, Voasokajy ao anatin'ny mpihira mpanao hira madinika na variété izy kanefa voasingana noho izy manana ny mampiavaka azy eo amin ny aingam-panahy na Feeling . Artiste feno, Ary miaina hotran'ny olona rehetra, Manao ny fanaon'ny olona rehetra, Manambady ary manan janaka, ary manana asa fanaony ny andavan'andro.

NY MOMBA AZY

modifier

Ny Fahazazany (1983-1987)

modifier

I Tovo J'Hay dia teraka tao anatin'ny fianakaviana tia mozika, na dia dokotera aza ny dadany dia mahagaga fa mpanao mozika avy ny ralahiny sy ny anabaviny , 6 mianadahy , ary samy mitendry mozika avokoa. Fony faha kely teo amin'ny faha 9 taonany teo no nanomboka nianatra ny vata maro hafitsoka, (Piano) i Tovo J'Hay, ary nitohy hatrany amin ny fianarana aponga maro anaka (Batterie) izany teo amin'ny faha 10 taonany. Ny nahitany an'i Gilbert Montagné, Stevie Wonder, Ray Charles, Elton Jhon no nanosika ny faniriany ho lasa mphira sady mitendry ny Piano, Vao 11 taona izy tamin izany dia efa niaraka tamin ny rahalahiny (Ratovondrahona Minonirina) nanao fampisehoana voalohany tao amin ny CGM, izay mbola ny hiran i Gilbert Montagné sy Richard Claiderman no nindraminy nataony tamin izany. Ary tsy nijanona teo fa nanao fampisehona nitety ny college teto Antananarivo amin ny halalan'ny fifaninanana na Concours isan karazany.

Ny Fatanorany (1987-1991)

modifier

Teo amin ny faha 13 taonany i Tovo J'Hay no nanomboka nanoratra sy namoron-hira, "Mahatsiaro "no hira voalohany anisany noforoniny tamin izany. Tamin'izy vao14 taona no nitsiry ny hevitra fa hamorona Tarika i Tovo J'Hay, Zareo mpinamana tany an-tsekoly no nikaon-doha ka teraka teo araka izany ny tarika iray antsoina hoe MAXI. Nisy an 'i Christophe Ramambazafy, Mbolatiana, lohateny anakiray hoe "Friendship" no hira tena nahafatarana ny tarika tamin'izany. Rehefa nahazo ny loka voalohany taminy fifaninanan-kira tany Antsirabe ny tarika dia nitety faritra maro teto Antananarivo

Trai-kefa(1991-1997)

modifier

Telo taona teo ny faharetan'ny ny tarika MAXI dia nisy ny fisarahana, nanohy ny lalany ihany anefa i Tovo J'Hay taminy faha 17 taonany ary niditra taminy tarika iray mpanao Rock hoe "APY" ary nipetraka ho mpitendry ny vata maro hafitsoka, "Synthétiseur" fotsiny ihany, izay nampitombo ny traikefa teo amin ny fitendrena, indrindra ny karazana gadona Rock, Teo amin ny faha 18 taonany izy no namorona indray ny tarika iray izay mpanao Accapela fotsiny nantsoina hoe 'The Jays" izay tsy naharitra fa amam-bolana fotsiny dia rava ihany ko. Ka teo no niainga ny anarana hoe Tovo Jay izay marihana fa mbola tsy misy haintso "H" . Namoaka singa "Single" mitondra ny lohateny hoe "Niandry" izay nandeha tamin ny anarany manokana izy avy eo, Nisy ihany koa ny firaha miasa tamin i Solofo Ranarivelo taty aoriana ka namoaka singa hafa toy ny "Naleoko izy ho any", "Ho ahy sy ho anao" izay Duo niarahana tamin ny Lova Rakoto" izay nandeha tamin ny onjam-peo maro isan-karazany teto an drenivohitra, Nanomboka teo dia niha maro ny nahafantatra azy tamin izany satri nahazo laharana avo teo amin ny Hit parade, tamin ny Radio Tsioka vao, Corail, sy Antsiva, RFV,

Seho voalohany(1997)

modifier

Teo amin ny faha 20 taonany no niakan tsehatra ka nanao seho voalohany tao amin ny ABAKABAKA amin ny anarany irery i Tovo Jay izay tsy nampoizina fa namaly ny antso ny olona maro ary nanomboka teo no nahitany fa niforona ny vondron olona mpakafy azy..

Mozika indray avy eo(1997-2000)

modifier

Telo taona no namitany ny fianarany teny amin'ny université , taorian izay ka niverina nandray ny mozikany indray ny tovolahy tamin ny faha 23 taonany. Teo no nifankahitany an'i ARO zanaky Bessa izay niara niasa taminy akaiky ka namoaka singa iray avy hatrany, Lohateny iray tsy maty ambavan'ny mpaka fy mandrak-ankehitriny dia i "Mbola hafa" izay namaritra ny lalan-kombany sy ny gadona ho voiziny nanomboka teo. Nisy arak izany ny faham-pahalalana, heno tetsy sy teroa teny amin'ny haino amn-jery samy hafa amin'ny alalan'ny interview sy gazety, nisy araka izany ny fisehoana kely majinijinika tetsy sy teroa, ka anisan voamarika tamin izany ohatra ny fandraisany anjara tamin ny fitokanana ny haino amn'jery iray OTV izay nahatonga ny trano mpamokatra na Poducteur maro niantso sy nitady fiaraha miasa taminy, ka safidy manokana tamin ireo mpamokatra ny fiaraha miasa niarahana tamin ny Do SOL


DINGANA EFA VITA

modifier

Efa maro be tsy ho voatanisa ireo seho na fampisehona efa vitan'i Tovo J'Hay nandritra ny taona maro, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, sombiny vitsivitsy amin'ireo dingana efa vita mety nanamarika ny lalana

  • Voasonia ny fifanarahana tamin'ny trano mpamokatra Do SOL
  • Fanodonana voalohany ny Clip "Mbola hafa"
  • Fivoahan'ny raki-kira "Satry foana"
  • Fandraisana anjara "FANTA HIT PARADE" Palais des sports, HIT PARADE MALAGASY Antsahamanitra,
  • Voasa manokana niraka tamin ny tarika 'Zay tao Antsahamanitra
  • Seho niarahana tamin'ny STAR , Gare soarano
  • Fisehona Voalohany tany toamasina "Soavita"
  • Seho maherin'ny 25 sy Fitetezam-paritany maro niarahana tamin'ny RAKOTRA ARTISTE, FITIAVANA MARINA, notarihan'i Doudou Michel
  • Seho voalohany Tovo J'Hay sy ny Tarika ZAY Antsahamanitra
  • Fivoahan'ny raki-kira "Teny mamy"
  • Concert, Seho irery voalohany amin ny maha Tovo J'Hay tao Antsahamanitra,
  • Fandraisana anjara voalohany tao anatin'ny Tana in Love
  • Fivoahana Voalohany tany ivelany, Concert niarahana tamin i Jaojoby sy Unik FRANCE
  • Concert Tovo J'Hay, ZAY, Nanie, AmbondronA, Antsahamanitra,
  • CHE BEL CANTO I: Tovo J'Hay nirahana tamin i Bodo, Poopy, Malala, Nanie, Lalie, "Rah toa ianao ka tia Mozika", Media consulting
  • Concert voalohany tany Antsirabe, St Joseph
  • Concert Voalohany Majunga, Maison de la culture
  • Concert Tovo J'Hay voalohany niarahana tamn'ny Loko Do SOL Antsahamanitra
  • Concert Fiarahana voalohany, Tovo J'Hay , Ambondrona Antsahamanitra , Loko Do Sol
  • Concert CHE BEL CANTO indroa nisesy niaraka tamin ny Pazzapa, Aina, Tosy, Sitraka, Francia, Henintsoa, Hents, Palais des sports
  • Fisehona voalohany Tovo J'Hay tany Tulear, Soavinandrina, Ambositra, Ambatondrazaka sns...
  • Tournée Nationale, "Teny Mamy Tour"
  • Festival natao voalohany Fianarantsoa.
  • Concert Y4 Anyah Spydee, Joy K
  • Fivoahan'ny raki-kira "Tia t'koa"
  • Concert 5eme anniversaire Tovo J'Hay Palais des sports
  • 5 eme Anniversaire Cabaret CARLTON
  • Fermeture 5eme anniversaire Antsahamanitra niaraka tamin ny namana mpihira rehetra. Rija Ramanantoanina, Mahery, Luc, bodo, Poopy, aina Joy K, Nary, Kiady, Rado, Nanie, Lalie
  • Fivoahan'ny raki-kira "Tsy misy toa anao"
  • "Tsy misy toa anao tour" Tournée Nationale
  • Loko DO SOL Antsahamanitra,
  • Concert Palais des sports Media Consulting.
  • Nanomboka miditra no mamorona hira ho an'ny Artiste Hafa koa i Tovo J'Hay: Anisany izany Bodo, Joy K, Nanie, Tiji, Poon, sns.....
  • Concert Tovo J'hay voalohany nirahana tamin Mada pro. Palais des sports, O Zoma!
  • O zoma tournée nationale

Fivoahan'ny Raki-kira "Antsika roa irery"

  • Tournée Europe, France suisse , Berlin, Canada
  • Tournée niaraka tamin'ny Féstival DONIA, Antsohihy, Abanja, Diego, Nosy Be
  • Concert "Mitsangana Mitraka" niraka tamin' i Shyn, Tosy, Denyz, Tovo J'Hay Antsahamanitra
  • Concert Tovo J'Hay , Bodo Carlton
  • Fivoahan'ny Raki-kira Angolanao
  • Concert Tovo J'Hay : fiverenana an-tsehatra indray tao Antsahamanitra niaraka tamin'i DREAM'IN
  • Concert tovo J'Hay CC esca niaraka tamin'i MIRITSOKA Pro

RAKI-KIRA

modifier

TANTARA AN-TSARY

modifier

Efa hita tao anatin'ny filalaovana horonan-tsary ihany koa i Tovo J'Hay. "BOKY MAINTY" niarahana tamin'ny Avoko production ny taona 2002 : film mampatahotra (Horreur) raha fintinina, Rôle principal no endrika nisehoany. "FIAINAN'IZANY" , Horonan-tsary faharoa nahitana azy. izay niarahana tamin'i Light production

MARIM-PANKASITRAHANA

modifier

-Artiste de l'année 2003 Midi Madagascar -Meilleur Ballade "Tia'Koa" RDJ Mozika 2004 -Artiste le plus Sexy RDJ Mozika 2005 -Trophée Mozika Dance "Romotra Fitia" RDJ Mozika 2008

IREO MPIARA MIASA AKAIKY

modifier

Betsaka ireo artiste efa niara niasa na niara nilalao tamin'i Tovo J'Hay tao anatin'ny mozika

  • Ny Eja: Poety nanoratra an'i "Teny mamy, Fihin-tananao, Aza avela, Tampoka avy teo, Antsika roa irery.
  • Haingo izay namorina an'i "Vanona (tonony sy feony)
  • Aro: Namorina ani "Mbola hafa, Lazao azy, Teo Foana"
  • Bessa: Namorina ny "Hainao ho atao"
  • Jhon Oabmar: namorina an'i "Tsy niriany"

Maro be ihany koa ireo mpitendry (musiciens) mety tsy ho voatanisa eto daholo fa hialan tsiny , izay niaraka namindra tamin'i Tovo J'Hay teny an-dalana teny: anisan'izany:

  • Rivo kely,Solofo bota, Lanto pazzapa, Samy Andriamanoro, Mickael, (hita teo amin'ny Vata maro hafitsoka na Clavier)
  • Thierry Jack, Ra-Danz, Mino, Philippe, ( Hita teo amin'ny Gitara beso)
  • By, Manitra (Gitara solo)
  • Nins, Naly, Mendrika, Eric, Andry Sylvano ( Hita teo amin'ny aponga maro anaka na Batterie)
  • Tity, Hasina ( hita teo amin'ny Sax)
  • Bim (hita teo amin'ny percu)
  • Tahiana, Njaka, Vola, Narindra, Tony, Nathalie, Njara, Miora,Aina, Lalaina, Mahaliana, Sarah, Helisoa, Nancy, Joely (hita teo amin'ny feo lafika na Choeur )
  • Tao ihany koa ny mpandihy izay nisy an'i Dihvin sns......

FIAINANA MANOKANA

modifier

Manambady ara-dalana ary mana-janaka telo izy, Taona 2000 i Tovo J'Hay sy Valerie no natao ara-dalana ny Fanambadiana na dia efa niaraka nandritra ny fito taona talohan'izay aza ry zareo..ary nomeny anarana hoe: Jhemy, Miangoty ary Keyo no zanaky ry zareo

IREO HIRA NANAMARIKA

modifier

Niandry

modifier

Tonony sy feony: Tovo J'Hay, anisan'ireo hira nosoratan i Tovo Voalohany niaraka tamin ny "Naleoko izy ho any", sy "Ho ahy sy ho anao" duo miaraka amin Lova Rakoto, Nanomboka teo no niainga ny famoronana, Tsotra ny tonony, tsotra ny mozika, Sary iray tsy hadino ho an'izay nahita azy teny am-boalohany, somary lavalava volo nitendry piano ra nahatadidiy tamin izany isika.

Satry foana

modifier

Hira iray mora hiraina, mora tononina, gadona tsy dia faheno loatra, Ary lasa Lohateny ny raki-kira voalohany navoaka ny taona 2001 tao amin ny Do Sol mihintsy aza.

Mbola hafa

modifier

Tonony sy feony: ARO, nifanojo ny tadi-dokanga satria dia i Tovo J'Hay no nametrahan'i ARO ny fitokisana fa afaka ny hamoaka ny hira izay noforoniny izay tiany indrindra tamin izany andro izany. Anisan'ireo hira nametraka an i Tovo J'Hay kosa nefa i "Mbola hafa "ho an ny toerana tsaratsara koakoa.

Samy Tia

modifier

Gadona : Latino Dance, Hira iray manam porofo fa afaka milalao gadona hafa i Tovo J'Hay fa tsy voafehy na voafaritry ny taranja iray fotsiny.

Teny Mamy

modifier

Hira nosoratan'i Ny Eja ny tonony, Mozika feno fanahy, Hira manome fanantenana ho an'ny ireo mahatsapa fa mitempo fitiavana, hira tsy mety maty handalovan'ny vanim-potona rehetra, Ity hira ity no hira nampitombo haingana sy vao maika nametraka ny lazan'i Tovo J'Hay. Concert niarahana tamin ny tarika Zay tao Antsahamanitra no nanatsidika azy voalohany, tonga dia voaray avy ahatrany. Anisan'ny hiran'i Tovo jhay izay nijanona ela indrindra tamin' ny HIT PARADE teny amin ny ojam-peo isan karazany.

Te mba ho

modifier

Tsy misy tsy mahalala fa i Tovo J'Hay dia hita matetika eny amin'ny fanokafana fetim-panambadiana na( Ouverture Mariage) Hita soritra eny amin'ity hira ity araka ny raki-tsary izany.

Ndao mba

modifier

Hira manamarika firaisan-kina sy fihavanana, teny am-piandohana dia niarahan Tovo J'Hay, samoela, Unik, sy artiste hafa....... tami'ny evenement tao RTA tany amin ny taona 2003 tany ho any, Izy no nanoratra ny tonony sy ny feony.

Lazao azy

modifier

Ny akabiazan'ny hiran'i Tovo j'Hay dia hira tsy mba nasiana raki-tsary (Clip) tsy mba natao dridrangilo (Mattraquage) teny amin'ny haino aman-jery samihafa, indrindra ireo hira taloha nampalaza azy. toy ry Teny Mamy, Tsy afa mandao Tia Tkoa, vanona, Avia fa, Tamberina sns... Kanefa , rehefa misy ny fampisehona dia tsy misaraka ary tsy manaiky ny olona rah tsy atao indrindra i "Lazao azy", namany tsy nahita Tovo J'Hay rehefa tsy natao io hira io.

Avia fa

modifier

Gadona iray manana endrika Pop Rock, mora henoina, nefa azo ovaina amin'ny endrika samy hafa, Manamporofo an'izany ny fampiaraham-peo nataon "Raboussa" sy "Isa roa Telo" niarah'ny tamin'ny tovo J'hay tamin'ny fandaharana iray tao amin'ny RTA, Endrika hafa vaovao no nitondran'ry zareo azy kanefa tsy nampoizina ny fivoakan'ilay hira.

Raha tia mozika

modifier

Fampiaraham-peo niarahana tamin'i Bodo, Nanie, Poopy, Malala, Lalie, Che Bel Canto. Hira tsotra mora hiraina, Hira matetika hita eny amin'ny Karaoke fanaon'ny olona, toy izay koa i "Babo" duo miaraka amin'ny Aina,

Tia t'Koa

modifier

Hira nanamarina ary koa vao maika nanamafy ny lazany aorian'ny Teny mamy fa mbola mahay mamorona ary lary tsy lany aingam-panahy Tovo J'Hay. Hita soritra amin ity hira ity amin'ny alalan'ny angolany izany. Miampita haingana ilay fihetsem-po rehefa mihaino azy.

Tamberina

modifier

Tia ny tanindrazany i Tovo J'Hay , Rehefa nanontaniana izy na koa heno amin'ny interview izay nataony isan-karazany dia tany ivelan'ny Madagasikara no namoronany azy. Hita soritra ihany izany rehfa mihaino ny tonony. Hafa ihany hoy izy ny tany niaviana.

Tsy mbola nisy

modifier

Gadona hafa fitempo, Gadona tsy dia faheno loatra ihany koa, Gadona iray mety nahatonga ny olona hilaza angamba fa mpiangaly ny gadona Rn'B i Tovo J'Hay. Tsy dia misy hifandraisany loatra anefa fa aingam-panahy miala amin'ny andavan'andro fotsiny ihany. Hira anisany ela indrindra ny namoronany azy satria dia nipetraka ho amam-bolana maro mihintsy vao vita ilay hira,

Efa Jamba

modifier

Ity hira ity indray dia hira mifanohitra amin ilay tetsy ambony. Fotoana vitsy fotsiny mba tsy ilazana hoe tsy misy ora iray akory no nahavitan'i "Efa Jamba" araka ny filazany, Ny tonony sy feony io. Nefa tsy dia tsapa loatra izay raha mihaino an'ilay hira. satri voarindra tsara ny rehetra

Hatreto ihany

modifier

Slow, Ballade, sy Izay fomba ilazana azy. fa ny manamarika azy dia ny firaiketany ilay mozika avy hatrany no miditra lalina any anaty fo rehefa mihaino azy.. anisany ny hira tiany amin'ireo hira noforoniny ny mihira an ' 3Hatreto ihany".

Aza avela

modifier

Tonony: Ny Eja angolam-pivavahana , Ny tiana ho marihina fotsiny eto dia i tovo J'Hay dia olona mivavaka ary mahatsiaro fa misy ny fahasamihafana eo amin ny fiainana andavan'andro ka ny fifanomezan-tanana sy ny fifankatiavana noho izay fahasamihafana izay no tiana tsindriana amin'ilay hira.

Tsy misy toa anao

modifier

Rehefa mitia ny olona iray dia mila mahalala sy mahafantatra fa tokana ny fitiavana fa tsy zaraina. indrindra fa eo amin izay anjara nomen'Andriamanitra ary tsindriny tsara izay. Hira iray nosoratany ka natolony an'ny vadiny i "Tsy misy toa anao" . Hay ve ka manoratra hira mba niainany ko i Tovo J'Hay e?

Fihin-tananao

modifier

Voafehy ao anatin'ity hira iray nosoratn'i Ny Eja ity ny fitiavna rehtra.Na fitian-janaka izany na ftiavana eo amin'ny mpifankatia izany, na koa zanaka sy Ray amn-dreny, eny fa na dia fitiavana avy amin'ny Nahary aza.

Antsika roa irery

modifier

Trangam-piainana misy eo amin'ny maha olombelona no tantarain'i Ny eja. Fiainana'ny namana iray akaikin'i Tovo J'Hay no nontantaraina ao anatin'ny hira

Romotra Fitia

modifier

Hafa kely raha ity hira ity no resahina, Sofiny samy hafa ary miavaka tsara ny mandray azy.. Ny mahagaga dia somary ny mpaka fy Tovo J'Hay any anstisin-tany "province" no tena mandray sy be maka fy azy tantraka, Ny teto Antananarivo indray aza no somary nanilika an'i "Romotra Fitia" raha ny fahitaa azy, Raha nanontaniana i Tovo J'Hay dia tsotra ny namaliany azy hoe: "Hira ho an'ny Malagasy". Na dia niezaka ihany aza nametraka sonia i Tovo J'Hay tao anatin'ny hira . Betsaka no nilaza fa niova famindra i Tovo J'Hay. ka nanjary nametram-panontaniana ny mpakafy azy teto ampivoan-tany

"Antsika roa irery" ny Raki-kira misy azy. Hira hakana Ambiance ozy ny fiteny. Na dia vao manomboka aza ny seho dia misy foan ny mikikiaka ho O zoma atao..... Asa re no mahatonga an izay??

Ho anjarako

modifier

Hita soritra amin'ity hira ity fa miditra lalina ary mia matotra kokoa hatrany ny fomba fanoratra, safidy ilay izy hoy izy, Hany ka na somary ela aza ny fandraisana azy am-boalohany. dia mateza ary miraikitra tsy miala ao anaty rehfa tafiditra. Tonony sy feony: Tovo J'Hay

Angolanao

modifier

Aingam-panahy nifanena tao anatin'ny mpaka-fy sy Tovo J'Hay, Hira niainany amin'ny zavatra hita isan'andro no tantarainy ao anatiny.. hira tao anatin'ny Raki-kira farany navoakany