NY AMPANJAKA, ANAKANDRIA, NY HOVA ARY NY TSIGNAHARE EO AMIN'NY ANTGNALA

NY ANAKANDRIA :

- Tsignahary nasandratra hitondra ny TRAGNOBE

- Tompom-pafirano

- TSongaina avy amin'ireo mponina voalohany tao amin'ny faritra Antagnala, ka ilazan'ny Ampanjaka azy hoe IBAN'NY TANY satria izy no tompotany ary lolohavin'ny ampanjaka ho toy ny Rainy

- Nalaina avy amin'ny zanany vavy izy taty aoriana raha efa misy zanan-tanana vao miforogna, izany hoe raha misy taranak'Ampanjaka viave manambady taranak'Anandria lehilahy dia anakandria ny zanany ka mahaleo ny tandrotragnon'i Abane

NY TSIGNAHARE :

- Ireo mponina voalohany tao amin'ny faritra Antagnala, izay maro anisa

- Ny Tsignahare no asandradra ho Anakandria

NY AMPANJAKA :

- Ny hova no asandratra ho ampanjaka

- Mpitondra ny tragnon-dahy

- Mpitari-tologna

- Mpiaro ny fiandrianan'ny firenena Antagnala

NY HOVA :

- Ireo mpiavy taranaka ZAfirambo : Izany hoe ny tsignahary no tonga talohan'izy ireo

- Ireo hova no asandratra ho ampanjaka

NY FANALOLAHY :

- Lehilahy mahery, mpiatari-tologna

- Mety ho Hova izy ary mety ho Tsignahare

- Ny Ampanjaka izany anisany fanalolahy ary izy no mpiatarika ambony ao