Na indray hirotsaka aza iry lanitra eny ambony,ka hikoa izato tany iorenan ny fisiako. N'inon inona hitranga mbola ho haiko ny hitony raha atokanao ho ahy ny fitiavanao ry TIAKO. Raha mbola ny fitiavanao no mamonto ny marainako ka eo am-pelatananao no mihovitrovitra ny vatako Dia tsy misy ahoako akory ny ahiahy sy ny tarainako satria ianao no mitia ahy ô ry tompon ny fitiavako. Ho ery am-paravazan-tany aho ka alaiko ho anao ny volana. Hangalariko eny aminy ny hareny an-tànan'olona. Ny tanindrazako,ny namako,eny izaho koa aza afoiko raha izay no sitrakao ô ry tompon'ity foko. Mety ho avy ny fotoana ianao hiala lavitra ahy fa ny lahatra sy anjara no manao indray letrezana, Fa raha tia tokoa ianao dia aza manana ahiahy fa ny fitiavantsika roa tsy ho ravam-pahafatesana. Maika ho manga aza ny lanitra fa tsisy fetra ny fotoana ahafahantsika mianoka ilay fitiavana tsy ritra Ka rehefa any am-paradisa ny fotsika no mihaona dia manontany anao ny foko hoe MOA MIFANKATIA ISIKA??-?